Actualités

Kaominin’i Talatamaty Nahazo fanampiana avy amin’i Japon ny Lycée


  • Zoma 25 Martsa 2016

Nahazo fanampiana avy amin’ny masoivohon’i Japon miasa sy monina eto amintsika ny lyceé ao Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo, tarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Razafindratsimba.

  Omaly no nampahafantarana izany tamim-pomba ofisialy ahitana efitra efatra vaovao  miaraka amin’ireo  karazana fitaovana sy kojakoja rehetra ilain’ny  mpampianatra sy ny mpianatra isan’andro. Tafiditra ao anatin’izany ny seza, ny armoara, ny latabatra. Araka ny fanazavan-dRaharinjatosoa Michelle, proviseur ao amin’ity lycée ity dia  tsy manana afa-tsy efitrano dimy  izy ireo hatramin’izay  nefa mandray mpianatra 392. Voatery mifandimby ny mpianatra.  Vokany, mahatsiaro sahirana mafy izy ireo amin’ny fanenjehana ny fandaharam-pianarana. Hanomboka amin’ny volana aprily ny asa, haharitra enim-bolana. Manodidina ny 70.000 Euros kosa ny famatsiam-bola azo amin’izany. Tafiditra ao anatin’ny asa fanamboarana ihany koa ny trano fivoahana efatra vaovao ho an’ny sekoly.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT