Nahazo fanampiana avy amin’ny masoivohon’i Japon miasa sy monina eto amintsika ny lyceé ao Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo, tarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Razafindratsimba.
Omaly no nampahafantarana izany tamim-pomba ofisialy ahitana efitra efatra vaovao miaraka amin’ireo karazana fitaovana sy kojakoja rehetra ilain’ny mpampianatra sy ny mpianatra isan’andro. Tafiditra ao anatin’izany ny seza, ny armoara, ny latabatra. Araka ny fanazavan-dRaharinjatosoa Michelle, proviseur ao amin’ity lycée ity dia tsy manana afa-tsy efitrano dimy izy ireo hatramin’izay nefa mandray mpianatra 392. Voatery mifandimby ny mpianatra. Vokany, mahatsiaro sahirana mafy izy ireo amin’ny fanenjehana ny fandaharam-pianarana. Hanomboka amin’ny volana aprily ny asa, haharitra enim-bolana. Manodidina ny 70.000 Euros kosa ny famatsiam-bola azo amin’izany. Tafiditra ao anatin’ny asa fanamboarana ihany koa ny trano fivoahana efatra vaovao ho an’ny sekoly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.