“Hisy ny fanatsarana amin’ny fitantanana ny tanŕna atao mandritra ny hitantanako 4 taona fanindroany ny kaominina izao”, hoy ny ben’ny tanŕna voafidy teny Sabotsy Namehana Avaradrano, Andriamosa Avotraina tamin’ny fotoana nandraisany ny toerany ny talata lasa teo.
Marihina fa efa tamin’ny alarobia heriny 30 septambra teo no efa vita ny fifamindram-pahefana ara-dalàna taminy sy ny Pds na ny mpisolo toerana vonjimaika azy. Hojerena manokana ny ho tombontsoa ho an’ny daholobe, hoy izy. Nambarany koa fa na dia tamin’ny alalan’ny antoko tsy miankina aza no nahalany azy farany teo dia hisokatra ho an'ny hery rehetra misy eny an-toerana ny varavaran'ny kaominina ahafahana midinika izay hahasoa ny tanàna, eny hatramin’ny filoham-pirenena am-perinasa izay zanaky ny kaominina tanteraka. Tena zava-dehibe io fiaraha-miasan’ny rehetra io ho an’ny kaominina tantanako, hoy ny ben’ny tanàna Avotra ary ny hampiray ny vahoakan’i Sabotsy Namehana manontolo no tanjona. Ho fanehoana mivantana ny fiaraha-mientana dia nambarany fa hanohana tsy misy fepetra izay kandida hofidiana Senatera hatolotra miaraka manaraka eo izy sy ny ekipany. Ho laharam-pahamehana eo amin’ny asa hotanterahin’ny kaominina kosa ny fampanantenana natao tamin'ireny fampielezan-kevitra nahalany ny tenany ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.