Actualités

Kaominin’i Sabotsy Namehana Amin’ny 1 ora hatramin’ny 3ora maraina no mantsaka rano


  • Alarobia 24 Septambra 2014

Tena fijaliana ho an’ny mponin’i Sabotsy Namehana manontolo ny fahazoana rano fisotro madio tao ho ao, hoy Andriamosa Avotraina, ben’ny tanŕna eny an-toerana

Misy dia misy tokoa ary maro, hoy izy, ny paompy saingy tsy mahazo rano ny mponina raha tsy amin’ny 1 ora maraina hatramin’ny 3 ora maraina isan’andro ary dia tsy maintsy mihari-tory milahatra anatin’ireo ora ireo raha te hahazo rano fisotro madio. Ny tsy fandriampahalemana anefa, hoy izy, etsy an-daniny  mirongatra ka tena manampy trotraka  ny fahasahiranan’ny rehetra. Be, araka izany no reradreraky ny torimaso amin’ny fihariana andavanandro. Ankehitriny, hoy izy, amin’izao famehtrahana fotodrafitrasa vaovao eny amin’ny sinibendrano eny Mahatsinjo izao dia mahatsiaro efa afa-patorana sy afa-pahasahiranana sahady izahay fa hahazo rano madio mandavanandro tsy ho ela ka tena zava-dehibe ho anay ity andron’ny 22 septrambra ity.  Efa nikaro-bahaolana hatrany ny JIRAMA raha ny fanazavana nomen’ny ben’ny tanàna Avotra  saingy noho ny halaviran’ny toeram-pamokarana rano dia efa tsy mahazo ny anjarany intsony ny tao Sabotsy Namehana sy Manandriana satria mbola toerana maro no nandalovan’ny fantsona mitondra ny rano avy eny Analamahitsy nankeny an-toerana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT