Toy ny savorovoro nitranga tamin’ny resaka fiarakaretsaka teto Antananarivo Renivohitra ihany, andro maromaro lasa izay, no mitranga ihany koa amin’ireo Bajaj mitatitr’olona ao Mahajanga.
Araka ny fanazavan’ny lefitry ny Ben’ny tanàna ao an-toerana dia zara raha nisy 40 ny isan’ireo bajaj nifamoivoy tao Mahajanga tamin’ny fotoan’andron’ny filohan’ny delegasionina manokana tao an-toerana. 12.000.000 Ariary no vidin’ny bajaja iray tamin’izany, hoy ity tompon’andraikitra ity nefa zara raha 25.000 Ariary no hetra miditra amin’ny kaominina alaina amin’ireo karazam-piara fitaterana ireo. Rehefa hita fa tsy nahafahana nampandroso ny kaominina io hetra zara raha misy io dia nanapa-kevitra ny mpitantana ny tanàna amin’izao fotoana fa hakarina 200.000 Ariary isan-taona ny hetra alaina amin’ireo fiara ireo. Mba hahafahana manisa ireo fiara ara-dalàna ihany koa dia nasiana hajia ny fitaratry ny fiara ary nasiana laharana manokana. Amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana, dia 350 amin’ireo fiara an’arivony no misy ireo hajia ireo ary mikomy tsy hiditra anatin’izay sehatry ny ara-dalàna izay koa ireo fiara ambiny. Fepetra noraisina, hoy ny lefitry ny ben’ny tanàna dia tsy avela hiditra anatin’ny toby fiantsonana vaovao ireo fiara tsy ara-dalàna mba ho hitan’izy ireo fa tsy misomonga ny fiadidiana ny kaominina ao an-toerana.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.