Mafana toy ny any Ankazoabo koa ny resaka tsy fandriampahalemana, hoy ny depiote Razafindrakoto Harifanja Francette voafidy tany an-toerana. Taorian’ilay nahafaty miaramila iray tany an-toerana iny
, hoy izy, dia tena nandray ny andraikiny tokoa ireo mpitandro ny filaminana na dia tsy ampy fitaovana sy tsy ampy araka olona aza. Amiko, hoy ity depiote ity, dia tokony hampiana ny « motivation » an’ireo mpitandro ny filaminana mamita iraka an-tany lavitra ireo ka mba jerena manokana mihitsy ny resaka « indemnité de risque » homena azy ireo amin’ny fanantanterahana izany asany izany. Ny tena koa moa amin’ny maha solombavambahoaka ny tena dia tsy mitsahatra amin’ny fanentanana ny vahoaka ifotony mba ho mailo sy samy hifanampy handray andraikitra rehefa misy zava-miseho. Raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka indray dia manomboka miaka-bidy ny kapoakan’ny vary any aminay any satria nisy fiantraikany ary mbola hisy fiantraikany eo amin’ny fambolena any an-toerana ny nafitsoky ny andiam-balala namely farany teo. Marina fa nanao ny ho afany ihany ny mpamono valala nefa efa somary tara kely vao tena niditra an-tsehatra ka izao misy fiantraikany amin’ny vahoaka izao ny vokany. Ny amin’ny fampidirana an-tsekoly ny kilonga madinika indray dia efa nahazo ny anjara kit scolaire azy avy ireo mpianatra any Beroroha tamin’ny taon-dasa ka inoana fa hotohizan’ny fanjakana ihany izany amin’ity taom-pianarana ho avy ity. Raha ny resaka fampidirana mpampianatra ho mpiasam-panjaka indray moa dia hitovizana amin’ny any an-toeran-kafa ny olana misy nefa efa nilaza ny tompon’andraikitra ao amin’ny minisitera fa afaka manao ny fitarainana ireo tena mpampianatra voakasiky ny olana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.