Vitsy dia vitsy ireo nanohina ny antso tamin’ny hetsika nokarakarain’ny kaominin’Antehiroka tao anatin’ilay « opération permis de construire »
izay natao hampanarahan-dalàna ny fanorenana trano ao an-toerana. Nanomboka ny 26 novambra teo moa ity hetsika ity ary noho ny fahitana fa nijolofotra izany dia nanapa-kevitra ny avy eo anivon’ity kaominina ity fa hitarina hatramin’ny voalohandohan’ny volana janoary izay higadona io izay fanentanana ireo mponina nanorina trano tsy ara-dalàna izay mba hampanara-dalàna izany. Maro loatra ireo trano miorina tsy nahazoana alalana ao an-toerana, raha ny fanazavana azo, ka dia entanina, hoy ny tomponandraikitra, ireo mponina voakasika mba hamita io adidy io mba tsy hahavoatery hampihatra sazy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.