Actualités

KAOMINA ANJIAJIA- TSARAMANDROSO Ripaka ny ala, ritra ny renirano


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Tafiditra ao anatin’ny laharana voalohany amin’ny fahasimban’ny ala ny faritra Boeny ka ny kaomina Anjiajia sy Tsaramandroso no tena ahitana be io fahasimban’ny tontolo iainana io eto Madagasika io

Tamin’ny fanadiadina natao no namantarana fa vokatry ny fifindra-monina ireo olona avy amin’ny faritra hafa amin’ny faritra iray no antony mahatonga ny fandripahan’ny ala io izay miafara amin’ny fanimbana ireo hazo hanaovana trano na koa harona. Manoloana izay indrindra dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ONG Komanga izay miaro ny tontolo iainana mba hijerena ny tena antony mahatonga ireo mpifindra monina no manimba ireo ala ireo ka amin’ny alalan’ny fanadihadiana no natao. Fantatra taorian’ny fidinana ifotony io fa 80°/° ireo mpifindra monina ao amin’ny kaominina Anjiajia sy Tsaramandroso io dia mpamboly sy mpiompy avokoa ka miroso amin’ny fikapana ny ala izy ireo anaovana arona. Tsy dia mahavana mamboly hazo anefa ireo mponina ireo no sady matetika mandoro tanety. Mitady ny vahaolana ialana amin’io fahasimban’ny ala io ity ONG ity ka nisy ny fanentanana ny mponina  ao an-toerana mba hiaro ny tontolo iainana. Taorian’io dia nisy ny fakana ny hevitr’ireo mpiara-miombonantoka amin’ny Komanga andinihana ny paikady entina andresen-dahatra ireo mpandripaka ala sy ny vahaolana apetraka mba ialana amin’ny fahapotehina miseho matetika. Kendrena arak’izany ny fiaraha-miasa amin’ny vondron-bahoaka ifotony mba hanara-maso ireo ala izay sisa tsy simba ao amin’ny kaominina hafa ao Boeny sy ny manodidina. Tsy dia hita misy ala sy renirano intsony ny ao amin’ny kaominina Anjiajia io ka  tokony handraisan’ny minisitera ny tontolo iainana sy ny ala fepetra.  

                                     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT