Nahemotra anio alarobia ny fandraisan’ny filan-kevi-panjakana ny antontan-taratasin’ny kandida Faniry Ernaivo taorian’ilay raharaha nifanandrinany tamin’ny mpitandro ny filaminana tetsy Mahamasina niaraka tamin’ireo kandida 25 isa hafa namany.
Tompon’andraikitra isan-tsokajiny no tonga nanotrona azy tamin’izany ka anisan’ireny Rakotoniasy Jean Raymond sekretera jeneralin’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara. Nambaran’ity farany tamin’izany fa tsy rariny ny fanapahan-kevitry ny Ministry ny amin’ny nanapahana ireo karazana tombontsoa tokony ho azon’ity kandida iray ity amin’ny maha-mpitsara azy mandritra ny enim-bolana. Naka fialan-tsasatra manokana mihitsy mantsy ny kandida Faniry Ernaivo hoy izy nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny noho izany tena tsy misy idiran’ny asa amin’ny maha-mpitsara azy ny resaka nataony tamin’ireny. Izay hoy izy no efa nanimba ny fitondrana teo aloha saingy mbola tohizan’ireo tompon’andraikitra ihany ka tsy azo ekena intsony. Nomarihiny manokana fa ny tranga toy izany no antom-pijoroan’ny sendikalista noho izany vonona ny hijoro hatramin’ny farany izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.