Actualités

KAMIO NIVADIKA Olona 2 maty tsy tra-drano, 20 hafa naratra mafy


  • Alarobia 01 Oktobra 2014

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana sy nandratrana olona indray tany amin’ny distrikan’ Ankazoabo Atsimo ny alahady maraina teo.

Fiarabe iray nitondra mpandeha 20 sy entana tsaramaso nilanja 15 taonina no nivadika ambony ambany. Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Toliara ireo naratra. Vokatry ny taingimbe sy ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza, raha ny fanazavana azo. Tsy nahatanty ny vesatry ny entana sy ny lalan-dratsy ity fiarabe izay tsy nisy fanaraha-maso talohan’ny nandehanany ity, ka nivadika.

Vokatry ny tsy fisian’ny fiara fitaterana dia lasa fanaon’ireo olona monina sy kolontsaina amin’iny faritra Ankazoabo iny ny mandeha kamiao mpitatitra entana tahaka izao, indrindra rehefa mamonjy tsena. Loza foana anefa no hita noho ny tsy fahalavorariana sy ny tsy fanarahan-dalànan’ny fiara ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra, satria tafahoatra loatra ny tsy fanarahan-dalàna, mba hampihena ny lozam-pifamoivoizana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT