Actualités

Kamiao nivadika tany Manakara Tafiakatra 6 ireo miaramila maty


  • Zoma 03 Mey 2019

Tafakatra enina hatramin’ny omaly tokony ho tamin’ny 02 ora maraina ny isan’ireo miaramila namoy ny ainy vokatry ny fivadihan’ilay fiaraben’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC

 

  nandehanan’ireo miaramila nanatanteraka fambolen-kazo tao Manakara ny alarobia hariva lasa teo. Raha tsiahivina, 52 km niala tao an-drenivohitr’i Manakara no nisehoan’ny loza vokatry ny fisian’ny bisikileta iray nanapaka ny lalana ka tsy maintsy nialan’ity fiarabe ity raha nandeha mafy ilay mpamily. Nivadika vokatr’izany ilay fiara ka miaramila telo no maty teo no ho eo raha iray hafa kosa maty teny an-dalana hihazo ny hopitaly. Omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina sy tamin’ny 02 ora kosa no namoy ny ainy indray ny miaramila roa hafa ka voatery nandefasan’ny Fanjakana  fiaramanidina haingana ireo 6  mbola maratra mafy entina hotsaboina eto Antananarivo. Ny roa hafa dia nafindra hopitaly ao Fianarantsoa. Mbola ao anatin’ny fandaminana tanteraka moa ireo tompon’andraikitra any an-toerana hatramin’ny omaly, notronin’ireo fianakavian’ny maty.

 

Pati sy Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT