Amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao dia nahatsiaro manokana ireo ankizy kambotin’ny polisim-pirenena beazina any Ambatolampy ny Fikambanan’ny Officier de Police eto Madagasikara (Collectif des Officiers de Police de Madagasikara)
notarihan’ny Filohany, ny Officier de Police Mandridake Randriamanjaka izay nisolo tena ireo Officier de Police rehetra manerana ny nosy. Fetin’ny ankizy ny Noely ka tonga niara-paly tamin’izy ireo ny Fikambanana. Nisy ny fiaraha-nisakafo tamin’ireo ankizy, fanolorana vola 2.400.000 Ar (12.000.000Fmg) hanampiana ny filan’ny Akany. Miisa 59 ireo ankizy ao amin’ity Akany ity ka 24 lehilahy, 35 vehivavy. Zazalahy kely 7 taona no zandriny indrindra. Any amin’ireo sekoly manodidina an’Ambatolampy no mianatra ireto ankizy ireto. Nambaran’ny Officier de Police Rabotoarison tompon’andraikitry ny Akany fa nahafa-po ny vokatry ny fanadinana ara-panjakana sy fisondrotana kilasy natrehan’ireto ankizy ireto tamin’ny taom-pianarana 2013-2014.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.