Naseho tao amin’ny Akany Nirina, teo amin’ny vohitr’Ambohimanarina, ny sabotsy 17 janoary teo ny “Zanak’Ambohimanarina Enin-dray Enin-dreny Mikabary”. Izy ireo dia hanandratra avo ny soatoavina ao amin’ny tontolon’ny kabary ary hampianatra sy haneho ny hasina sy ny fomba fikabarin’Ambohimanarina manokana
. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny talen’ny Teny sy ny soratra ary ny Federasiona mpikanto ny teny sy ny soratra eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina ary ireo raiamandreny mpiahy Atoa Rahetlah Jonah sy Ramanandraibe François, mpitsara ary Rafalimanana Hery, Filohan’ny delegasiona manokana Antananarivo teo aloha, omban’ireo solombavambahoakan’Ambohimanarina. Marihina fa efa tafajoro ara-panjakana ny 21 novambra 2014 ny Zanak’Ambohimanarina Enin-dray Enin-dreny Mikabary. Amin’ny 15 febroary ny fisokafan’ny fampianarana ao amin’ny EPP Anosisoa II.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.