Efa voambara ao amin’ny bokin’ny apokalipsy ny kabary toy ireny nataon’ny praiminisitra kanadianina Justin Trudeau tamin’ny frankofonia ireny, hoy ny pasitera Mailhol teny Isotry omaly.
Raha fintinina ny voalazan’ity praiminisitra kanadianina ity dia niompana tamin’ny fanalalahana ny fanambadian’ireo mitovy fananahana aty amin’ny tany frankofonina. Ny soatoavina Malagasy fotsiny dia efa tsy manaiky an’io satria na tsy mbola tafiditra teto aza ny fivavahana kristianina dia efa nahalala ny fisian’Andriamanitra ny Malagasy. Dikan’izany, dia tsy ho lany ny lalàna mikasika an’io raha hisy referandaoma mikasika izany eto ary na hoesorina hatramin’ny ainy aza dia tsy hisy Malagasy hanaiky izany. Izay mpitondra midi-kizo amin’io dia hiongana, hoy izy.
Ota mahatezitra an’Andriamanitra indrindra
Ara-tsoratra masina dia fahotana faran’izay mahatezitra an’Andriamanitra ny fifanambadian’ny lahy sy ny lahy na vavy samy vavy izany. Io no nahatonga ny safo-dranon’i Noa sy nandravana an’i Sodoma sy Gomoro. Matoa anefa saika ireo firenen-dehibe no manaiky an’io dia noho ny tsy fahafantarany ny tsiambaratelon’ny bokin’ny apokalipsy. Efa voasoratra fa efa mariky ny fanombohan’ny vanim-potoana apokaliptika ny fanapariahana an’io, hoy ny tenany, ary izay no mahatonga ireo firenen-dehibe ireo hanjakan’ny asa fampihorohoana. Andramo hampiharina any amin’ireo tany Arabo mikambana ao amin’ny frankofonia io lalàna io ahitana azy, hoy ny namaranany ny fanazavany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.