Maloka ny tontolon’ny literatiora sy haisoratra ary ny Teny malagasy.
Nodimandry omaly Rtoa Juliette Ratsimandrava rehefa nolazoin’ny aretina fotoana lavalava izay. Faravavin’ny kolonely Richard Ratsimandrava izy. Sehatr’asa maro no nisy ny dian-tanany. Tao amin’ny Tranombokim-pirenena Malagasy, nisahana ny kolontsaina tao amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, tompon’andraikitry ny sokajy teny eo anivon’ny Akademila Malagasy, filohan’ny fikambanana AFAKA... Nanokan-tena nanabevoho ny literatiora Malagasy izy. Tanora mpianatra sy mpandalina tantara, haisotra, Teny… eny hatramin’ny mpanao gazety no nandalo teo ambany saokan-dRtoa Juliette Ratsimandrava raha tsy hiteny afa-tsy ny tao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Nanoratra boky izy, fahavelony.
Jean D.
Juliette Ratsimandrava
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.