Mihazakazaka ny toe-draharaha mikasika ilay mpitsara, Rabehaja Jackie Ernest, « substitut général » ao amin’ny Fitsarana ambony ao Toamasina.
Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora nanomboka omaly hariva izy taorian’ny fihainoan’ny fampanoavana ambony teo anivon’ny Fitsarana tampony azy.
Namoahan’ny Fitsarana tampony « Mandat d’emmener» ity mpitsara ity, ary nalain’ny polisin’ny « Brigade Criminelle » avy eto Antananarivo tany Toamasina ny alarobia teo. Tao an-tranony, ao Boulevard Joffre, Toamasina izy no nalain’ny polisy, ary nentina avy hatrany niakatra aty Antananarivo hatao famotorana. Ny misasakalin’io alarobia io ihany dia tonga taty Antananarivo izy.
Araka ny loharanom-baovao dia nifandray an-telefaonina tamin’i Lejo, iray tamin’ireo atidoha naka an-keriny an’i Annie sy Arnaud tamin’ny 23 novambra 2015 ity mpitsara ity. I Lejo, izay anisan’ireo jiolahy namoahan’ny Fitsarana taratasy fikarohana manokana ary voasambotra tany Farafangana tamin’ny 11 janoary 2016 teo.
Raharaha roa no fantatra miandry an’ity mpitsara ity. Ny iray ao amin’ny Fitsarana tampony, io nitarika ny fitanana azy am-ponja vonjimaika io. Ny faharoa, fitoriana nataon’olon-tsotra izay iarahan’ny fampanoavan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo sy ny « Brigade Criminelle » mandray an-tanana.
Etsy an-kilany, re fa handalo famotorana eto Antananarivo anio Ramialison Arlan, rain’i Arnaud, iray amin’ireo zaza nisy naka an-keriny tany Toamasina ny 23 novambra 2015.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.