Tao amin’ ny Oasis Ambohimiadana Ambositra no nihaonan’i Joel Ralaivaohita, kandida filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety tamin’ireo mpanao gazety omaly talata 28 oktobra. Nahaliana ireo mpanao gazety tao Ambositra ireo fandaharanasany
indrindra ny fiarovana ny mpanao gazety any amin’ny faritra amin’ny fanatanterahana ny asany. Nambaran’i Joel Ralaivaohita fa vonona ny tenany hitondra fampandrosoana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, hisy rahateo ny fiaraha-misalahy eo amin’ny samy mpanao gazety. Hisy ihany koa ny fananganana ny tranoben’ny Holafitra ao Antananarivo. Taorian’ny fandalovany tao Antsirabe dia Ambositra sy Fianarantsoa no nanaovany ny famelabelarana ny fandaharanasany omaly niaraka tamin’i Herizo mpiara-miasa aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.