Teny filamatra ho an’ny kandida Joel Ralaivaohita ny fahalalahana sy ny fihavaozana. Navoitrany nandritra ny fandalovany tany Ambatondrazaka omaly alatsinainy fa hitondra zava-baovao ny tenany eo amin’ny fitantanana ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety
Eo ny fampiofanana ampitaindavitra izay handray anjara amin’izany avokoa ny mpanao gazety manerana ny Nosy. Misy ny tanjona lavitr’ezaka amin’ny fananganana trano hiasan’ny biraon’ny Holafitra. Hisy ny fanatanterahana fihaonamben’ny mpanao gazety manerana ny nosy hitondrana soso-kevitra hanatsarana ny fomba fiasa, ary eo ihany koa ny fametrahana ny filankevitry ny etika sy deotolojia satria ilaina ny fifampitaizana eo amin’ny fanatanterahana io asa masina io, hoy izy. Nahaliana ireo mpanao gazety tany amin’ny faritra Alaotra iny io fandaharanasan’ny kandida filohan’ny holafitra Joel Ralaivaohita io. Ny renivohitry ny faritra Betsimisaraka iny no handray azy anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.