Actualités

Joel Ralaivaohita « Avereno tanteraka mihitsy ny fifidianana »


  • Alarobia 12 Novambra 2014

Tena sarotra ny mahatoky ny zavatra mety hitranga manaraka eo indray fa aleo averina tanteraka mihitsy ny fifidianana, hoy i Joel Ralaivaohita omaly teny Ambatonakanga. Tokony haverina hatrany amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpanao gazety mpifidy mihitsy aza ny raharaha, hoy ity kandida filohan’ny holafitry ny mpanao gazety ity

Be loatra, raha ny filazany, ny zavatra tsy mazava, nisy ny teritery sy tsindry hazo lena nahazo ny mpanao gazety sasany tany amin’ny faritra. Tsy azoko ekena ny hoe mpifidy valo monja no nananganana birao fandatsaham-bato iray, hoy i Joel Ralaivaohita. Manamora ny fanaovana tsindry bokotra sy ramatahora izany, hoy izy satria mora fantatra ireo mpanao gazety nifidy sy ny vato mety narotsak’izy ireo, hany ka matahotra ireo mpanao gazety ireo ka manjary mifidy izay noterena hofidiany fotsiny. « Ho ahy manokana dia tsy vahaolana ny fihodinana faharoa peta-toko hatao amin'ny alarobia 19 novambra izao », hoy i Joel Ralaivaohita.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT