Actualités

Jiro maty teto an-drenivohitra Avy any Andekaleka ny olana


  • Talata 01 Martsa 2016

Ny oram-baratra nahery vaika tany Andekaleka no nahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra teo Antananarivo Renivohitra ny alahady hariva lasa teo,

 

 hoy Atoa Feno Randrianarison miandraikitra ny seraseran’ny Jirama. Mitarika fijanonan’ireo milina mpamokatra herinaratra ao Andekaleka ny filatsahan’ny varatra, hoy izy satria misy fitaovana manokana manapika avy hatrany ireo milina vantany vao misy varatra. Averina tsikelikely avy eo ny famokarana herinaratra, araka ny laharam-pahamehana ka tsy maintsy omena voalohany ny hopitaly, toeram-pitsaboana, lapam-panjakana, minisitera, toby miaramila…ary manaraka ny ambiny avy eo. Izay no nahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra tamin’ny alahady teo, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy delestazy iny fa tena fahatapahana noho ny antony ara-teknika, hoy ny Jirama. Ny atao hoe delestazy mantsy, hoy hatrany ny fanazavana dia fanapahana ny famatsiana iniana atao noho ny tsy fahampian’ny tanjaky ny herinaratra vokarina, ankehitriny anefa dia ampy tsara ny herinaratra vokatra ho an’Antananarivo.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT