Actualités

Jirama - Oliva Andrianalimanana Mitaky ny hamoahana tsy misy hatakandro azy ny CSI – Afrika


  • Talata 06 Oktobra 2015

Nandefa taratasy misokatra any amin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ny fikambanam-paritry ny Kaonfederasiona sendikaly iraisam-pirenena aty Afrika (CSI – Afrika),

 

 

 izay ivondronana sendika miisa 103 avy amina firenena 51, mitaky ny hamotsorana tsy misy hatakandro ny kamarady Oliva Andrianalimanana, filoha nasionalin’ny «Union des Syndicats Autonomes de Madagascar (USAM)» sady filohan’ny farimbon-tsendikalin’ny Jirama izay nosamborina ary nampidirina am-ponja tamin’ny 18 septambra 2015.

Melohin’ny CSI – Afrika amin’ny taratasiny ihany koa ny fanosihosena ny zo sendikaly sy ny zo hitokona miseholany eto Madagasikara, ka nampahatsiahivany ny mpitondra mba hanaja ny zavatra nekeny mikasika ny zon’olombelona sy ny zo sendikaly.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT