Manomboka tonga ireo milina nohafaran’ny teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ho an’ny orinasa Jirama hamahan’ity farany ny olan’ny delesta
. Toamasina no anisan’ny tanàna voalohany hametrahana ireo milina ireo, izay mandeha amin’ny solika. Mazava ny resaka eto fa dia hiankindoha tanteraka amin’ny solika ny famokarana herinatry ny Jirama, ary dia hanaraka ny fiakaran’ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vidin-jiro. Misy rahateo ireo mpanatsatso sy mitsivalana ny fampiasana «fuel lourd» na menaka mavesatra fa gazoala hatrany na mora vidy kokoa sady misy eto an-toerana – Tsimiroro – aza ny «fuel lourd». Marihina fa anisan’ny nampitombo ny disadisa ka nitarika ny fanilihana an’i Fienena Richard tsy ho minisitry ny angovo ny fanafarana ireo milina ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.