Mitohy ary vao mainka mahery vaika ny delestazy. Tsy eto an-drenivohitra sy ny manodidina ihany fa saika manerana ny Nosy mihitsy
Tsy nahavaha olana ny nanesorana tamin’ny toerany ny minisitry ny angovo Fienena Richard. Tsy maharototra ny fitondrana moa ny nanolo azy, fa ny nanendry filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama no nihazakazahany, dia i Rachidy Mohammed izany. Mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika ity farany sady mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara. Noho ny traikefany fony izy Tale jeneralin’ny Sirama ve no antenaina hitondra fanarenana ao amin’ity orinasam-panjakana Jirama ity ? Mampieritreritra izany, satria dia io iaraha-mahita io ny zava-manjo ny Sirama : tsy mitsahatra ny mikoroso fahana. Ny ao Brickaville aza moa dia io mikatso tsy mihodina io ary harafesina an-toerana ny milina. Dia ho sanatria ve ka hanara-dia ny Sirama koa ny Jirama ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.