Actualités

JIRAMA Farafangana May sady voaroba


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2016

May vokatry ny hatezeram-bahoaka noho ny fahatapatapahan-jiro lava ny biraon’ny Jirama Farafangana.


 Nohon'ny fahasimban'ny milina 3 amin'ireo 5 mampandeha ny jiro sy rano ao an-tampon-tanànan'i Farafangana no anton'ny fahatapahan-jiro lavabe ka nahatonga ny fahatezeram-bahoaka, izay nifarana tamin'ny fandorana sy fanapotehana ireo fitaovana sy antontan-taratasy momba ny mpanjifa tao amin'ny biraon'ny Jirama sy ny trano natokana ho an'ny Tale ny harivan’ny sabotsy 15 oktobra 2016. 170 kW ihany sisa vokarin'ny milina raha 840 kW ny filan'i Farafangana. Voalaza fa efa hisy milina manana tanjaka 300 kW ho avy avy aty Antananarivo. Tsy mahavita ny filana io ary mbola tsy hirehitra manontolo ny jiro. Mbola tapaka tanteraka ny jiro sy rano hatry ny omaly ary mbola midon-tsetroka ny trano may. Nifandrombahan’ny olona ihany koa ny « coffre » Jirama io sabotsy alina io, ka vola teo amin’ny enina hetsy Ariary eo no voalaza fa very tamin’izany. Nisy zandary roa naratra. Hatreto olona miisa dimy no voasambotra tamin’io raharaha io. Mihatra ao Farafangana ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Re mantsy fa misy mandrahona ny handoro koa ny foibe famokarana herinaratry ny Jirama.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT