Raha ny fanazavan’ny tompon’andriakitra avy ao amin’ny Jirama omaly maraina, dia afaka efatra andro any ho any, raha feno avokoa ireo fitaovana samihafa ilaina amin’ny fametrahana an’ireo milina vaovao roa lehibe sy matanjaka kokoa manana tanjaka 55
Kilowatt avy aty an-drenivohitra, raha 50 Kilowatt ny filana isan-kariva, no mety tonga any amin’ny distrikan’i Beroroha anio na rahampitso talata, hasolo an’ireo telo may kila hotohoton’ny afo, tany an-toerana, ny alin’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy 20 minitra. Naharitra adim-pamantaranandro maro vao maty tanteraka ny afo. Raha ny vaovao voaray, manodidina ny 150 tapitrisa ariary eo ny tetim-bidin’ny gropy iray may. Na dia mbola miaina ao anaty haizina tanteraka aza ny vahoakan’i Beroroha amin’izao, dia miasa andro aman’alina ireo teknisianina nalefa any an-toerana hamaha ny olana haingana, hoy ny avy ao amin’ny Jirama nanamafy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.