Nodoran’ny olona ny Biraon’ny Jirama ao Antalaha omaly noho ny tsy fahafalian’ireo mpanjifa noho ny delestazy mampikolay azy, ka hotohoton’ny afo tanteraka.
Ny delestazy misy foana kanefa ny faktiora etsy andaniny tsy mifanaraka amin’izany, hoy hatrany ny fanamarihana. Nanomboka ny fiandohan’ny volana janoary no efa nisy io fahatapahan-jiro matetika io satria tsy misy famokarana afa-tsy 950 KW ao an-toerana kanefa 1800 anefa ny filana. Nampahafantatra moa ny eo anivon’ny Jirama fa hiainga ao Toamasina anio alakamisy faha 21 martsa ny « groupes » vaovao miisa 2, izay afaka mamokatra herinaratra 500 KW avy. Heverina ho tonga any amin’ny seranan’Antalaha ny alatsinainy 25 martsa izany hamahana ny olana ankehitriny, saingy tsy nahandry izany ireo olona. Ny volana febroary, no efa niainga teto an-drenivohitra, nihazo ny lalana mankany Antalaha ireto « groupes » ireto, fa noho ny haratsian’ny lalana tao Daraina, dia voatery niverin-dàlana ka izao halefa sambo izao, hoy hatrany ny Jirama. Ankoatra ny vahaolana amin’ny fandefasana ireo « groupes » roa ho an’Antalaha ireo, dia tsara ny mampahatsiahy, fa anisan’ny hahazo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny alalan'ny masoandro sy ny solika na « centrales hybrides solaires » ao anatin’ilay tetik’asa hametrahana « 45 centrales hybrides » Antalaha, raha ny nambaran’ny Jirama hatrany. Heverina hanomboka ny volana jolay ho avy izao ny fanatanterahana izany tetikasa izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.