Jiro tsy mandeha, ny rano koa tapaka. Io no mameno ny fiainana andavanandron-dRamalagasy efa ho taona iray latsaka kely izao. Fampanantenana nataon’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara anefa vao nandray fitenenana voalohany ny tenany ny 25 janoary 2014 ny hanafoana ny delestazy aorian’ny 3 volana nandraisany ny fahefana. 12 volana izay no lasa, vao maika miaina ao anatin’ny haizina sy ny tsy fahampian-drano ny faritra maro manerana ny nosy.
Tapaka koa ny rano
Tsy vitan’izany fa tsy mbola nisy hatramin’izao ny fanazavana mikasika ny zava-misy marina mikasika ity fahatapahan’ny herinaratra sy ny rano eto amin’ny firenena ity avy amin’ireo tompon’andraikitry ny orinasa sy ireo manampahefana isan-tsokajiny. Raha raisina amin’ny ankapobeny ny trangan-javatra iainan’ny vahoaka Malagasy dia tsy latsaky ora 10 ao anatin’ny herinandro no mijaly amin’ny fahatapahan’ny rano ny mponina amin’ny toerana sasany. Ora 4 ihany koa farafahakeliny ny faharetan’ny delestazy iainan’ny isan-tokantrano tsy olo-manan-kaja eto amin’ny tanàna.
Mpamitaka
Nanambara tsy am-pisalasalana tamin’ny herinandro voalohan’ny volana desambra anefa ny tale jeneralin’ny orinasam-panjakana Jiro sy Rano Malagasy fa ho foana ao anatin’ny herinandro, hono, ny delestazy. Dila ity ilay fito andro saingy toa ny mifanohitra tamin’ny nolazain’ingahy Dg no zavatra hita eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy mahagaga raha tonga tamin’ilay hetsika fiaraha-mientana am-pilaminana ho fanoherana ny delestazy ny mponin’Antananarivo renivohitra ny sabotsy 6 desambra 2014 teo. Fanehoan-kevitra maro no tonga ao an-tsaina toy ny hoe mandainga sy tsy mitana ny teniny ve izany ny filoham-pirenena sy ny tale jeneralin’ny Jirama ? Sa mba te hampandry adrisa tahaka ireo raharaha lehibe sy goavana tsy ahitam-bahaolana ka ny kabary tsara alahatra no tonga ao an-tsaina hanafenana ny tsy fifehezana ireo andraikitra mitambesatra amin’ny fitondram-panjakana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.