Actualités

Jiolahy nangalatra moto ana polisy Telolahy voasambotra teny Ambodifilao sy Analakely


  • Alarobia 27 Aprily 2016

Telo lahy tompon’antoka tamin’ny fangalarana moto scooter Jog Pro 90 iray tetsy anoloan’ny casino iray etsy Ambodifilao no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany etsy Analakely teny Ankadivato sy Analakely ny 21 aprily lasa teo.

 

 Moto scooter iray ana polisy miasa ao amin’ny boriborintany voalohany Analakely napetraka teny Ambodifilao ihany izy io ary nisy nangalatra. Rehefa nojerena tamin’ny camera de surveillance tao amin’ilay casino ny zava-nitranga dia hita tao  ilay mpangalatra izay tsy nisy niafina na dia kely aza. Noraisim-potsiny teny Analakely izy. Mbola nanda ny fiampangana azy anefa izy teny am-piandohan’ny famotorana. Resy lahatra ihany rehefa naseho azy ny porofo ka nanoro ireo namany hafa. Tsiahivina moa fa nitondra fiara ireo namany roa hafa ary saika nanitsaka an’ilay mpitandro ny filaminana nanakana azy raha tsy nambanana tamin’ny basy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT