Actualités

Jiolahy mpanafika teny Ankorondrano Roa lahy nidoboka eny Tsiafahy


  • Alarobia 20 Aprily 2016

Lehilahy roa 26 sy 18 taona mpanao fanafihana mitam-piadiana eny amin’iny faritra Ankorondrano sy ny manodidina iny no voasambotry ny

 

polisy avy ao amin’ny paositry ny polisy Antaniavo teny Antetezana afovoany Tsaramasay ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Anisan’ireo dimy lahy nandray anjara tamin’ny fanafihana toeram-pivarotana iray teny Tsaramasay izy ireo ny 18 Aprily lasa teo nitondra basy P.A iray, sabatra sy lefona ary barre à pince. Nanao saron-tava ny roalahy tamin’ireo olon-dratsy ireo raha nanao fanamiana mpitandro ny filaminana ny iray. Nopitsohin’ireo olon-dratsy moramora ny varavarana ka efa tafiditra izy ireo vao taitra ireo dimy vavy tao an-trano. Norahonan’ireo jiolahy ny tompon-trano sady notereny hamoaka ny vola. Tsy namaly ireto farany  fa nanome ka lelavola mitentina 3 000 000Ar no azon’izy ireo tamin’izany. Mbola nalain’ireo olon-dratsy ihany koa ny ordi portable iray, finday miisa 5 sy vangovango 3 ary peratra mariazy miisa roa talohan’ny nandehanany nitsoaka. Tsy nanapoaka basy mihitsy ireto jiolahy ireto. Rehefa lasa ireo olon-dratsy vao nampandre ny polisy ny tompon-trano ka tonga teny an-toerana ireto farany. Nandeha ny fikarohana nataon’ny polisy ka ny zoma teo no voasambotra ny roalahy raha mbola karohina kosa ny namany telo ambiny. Natolotra ny Fampanoavana ny alatsinainy teo izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT