Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tao Toamasina ny alatsinainy tokony tamin’ny 10ora maraina.
Tokantrano iray tao Anjoma no notafihan’ireto 03 lahy sady nitondra basy PA roa no nanao taingin-telo tamina moto Scooter. Nanambahiny avy any ivelany ity tokantrano iray tao Anjoma ity, ka nitetika ny hahazo vola vahiny tao ireto jiolahy ireto araka ny vaovao azony, nefa niala maina. Vao niditra izy 03 lahy dia avy hatrany dia saika hanapoaka basy handratrana ny tompon-trano hanamora ny fitakiany ireo vola noeritreretiny, kinanjo nandritra izay dia tsy nipoaka ilay basy PA ka teo no niantso vonjy ilay tompon-trano ary nitsoka kiririoka. Nikoropaka vokatra izany izy 03 lahy ka lasa nitsoaka nihazo an’Anjoma miditra an’Ambalabe, saingy teo am-pitsoahana vokatry ny taingin-telo natao sy ny faharatsian’ny lalana dia nianjera izy telo lahy. Teo no nahatrarana ilay basy PA iray tao anaty moto izay araka ny angom-baovao dia basy fampiasan’ireo zandary Malagasy, ny iray faharoa tsy nipoaka kosa lasan’ireo jiolahy nitsoaka kosa. Efa eo am-pelatanan’ny polisy misahana ny heloka be vava ny raharaha, ka ho hita eo ny ho tohin’ny fanadihadiana mikasika ity asan-jiolahy tao Anjoma Toamasina ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.