Ela nitoratorahana i Redman ka tratra ihany. Malaza ratsy amin’ny vaky trano ity tovolahy, 19 taona ity, ka tratra ambodioby tao Tanamakoa ny alin’ny zoma nifoha ny sabotsy 3 septambra teo.
Niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany i Redman taorian’ny fahatrarana azy izao, ka naratra mafy. Mety namoy ny ainy mihitsy aza raha tsy tonga naka azy ny polisin’ny FIP. Jiolahy mpamerin-keloka i Redman ity ary tsy mety fay. Efa tratra ambodiomby tamina vaky trano tahaka izao izy ny taona 2014, ka noborin’ny olona tamin’ny hety ny lohan’ny filahiany tamin’izay ho famaizana azy. Efa mahafantatra tsara ny fonja ihany koa ity tovolahy ity noho izy efa nangalatra posy sy bisikileta ary moto teo aloha, izany hoe tsy ampy taona izy no efa nanao izao halatra sy famakiana trano izao. Anio no hiakatra fitsarana ity tovolahy ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.