Fanomezam-baovao avy amin’olona tsara sitra-po no nahafantaran’ny polisy fa eny amin’ny Fasan’ny Karana mikasa hihazo an’i Toliara i Faby sy Solomon.
Efa voasaringotra tamin’ny asa ratsy maro ary efa voaheloka higadra mandrapahafatiny izy roalahy ireto no izao hita miriria izao. Ny fanazavana re dia hoe nalaina olona ambony (?) hiasa tao aminy ireo, indrindra fa i Faby no nanararaotra nitsoaka tamin’ny 2009. Mampametra-panontaniana ny maro ihany ny trangan-javatra toy izany indrindra amin’ny vanimpotoana mampirongatra ny asan-jiolahy eto Madagasikara, amin’izay indray tao anatin’ny fanonganam-panjakana no nisintonana avy any am-ponja jiolahy raindahiny, efa voaheloka higadra mandrapahafatiny. Izany ve mbola mendrika hampanaovina asa ivelany ? Sao mba nirahina hanao asa ratsy no marimarina kokoa, ary mibaribary fa misy firaisana tsikombakomba ao anatin’izany.
Tamin’ny talata 15 desambra izy roalahy ireto no voasambotra teny amin’ny Fasan’ny Karana, fa izao vao omaly no nampahafantarina ny mpanao gazety fa hoe : nandalo fanadihadiana maharitra tao amin’ny BC. Enga anie ka ho izay tokoa, mba hisindan’ny ahiahy sao nisy nanao fanelanelanana indray tany ho any. Nahatrarana basy PA, vita frantsay miaraka amin’ny bala 14 isa sy «puce» marobe tany amin’izy ireo. Hita tany amin’i Faby ny kara-panondro sandoka misy ny sariny ary amin’ny anaran’i Andry Sadino. Anisan’ireo jiolahy nanafika sy nitifitra ny Minisitra Azaly Ben Marouf tany Mahajanga tamin’ny taona 2001 i Faby, fanafihana mitam-piadiana sy fikasana hamono hahafaty mpamongady tao Fianarantsoa ny taona 2003, “Kidnapping” ny zaza antsoina hoe Alvaraly Houssen ny 17 febroary 2015 tany Toliara sy ny maro hafa. Voaheloka higadra mandra-pahafaty i Faby fa nitsoaka ny Fonja izy ny taona 2009 rehefa nataona manampahefana iray “à la disposition”. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.