Mandray an-tanana ny asa fampandrosoana ao aminy ny any Melaky. Miara-mientana amin’izany ny vahoaka sy ny solontenam-panjakana tarihin’ny lehiben’ny Faritra Dolsain Guy Arvely sy ny Prefen’i Maintirano, Rakotomalala Louis Robson, izay samy zanak’i Melaky rahateo.
Efa nahitam-bokatra ny fiaraha-miasa tamin’iny taona 2015 iny, ary hihazakazaka amin’ity 2016 raha ireo tetikasa efa an-dalam-panatanterahana amin’iny faritra iny. Hiara-dalana amin’ity taona ity ny “Jeux de Melaky” sy ny foara ara-toekaren’ny Faritra. Eo amin’ny andiany faha-28 ny Lalaon’i Melaky amin’ity, izay hotanterahina any amin’ny faramparan’ny volana aogositra na fiandohan’ny volana septambra 2016 ao Maintirano, handraisan’ireo Distrika dimy mandrafitra ny faritra dia i Besalampy, Antsalova, Morafenobe, Ambatomainty ary Maintirano. Hiara-dalana ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ary ny toekarena amin’ity, hanehoan’i Melaky ny otrikareny, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fananany ny solika any Tsimiroro, ny tsingin’i Bemaraha, ankoatra ny omby. Nanambara i Dolsain Guy Arvely fa hisy fanorenana fotodrafitrasa ara-pamokarana roa lehibe hatao amin’ity taona ity, iarahana amin’ny tetikasa AD2M (Appui au Développement Menabe et du Melaky), dia tohodrano roa samy afaka manondraka velaran-tanimbary 1 800ha avy. Ny iray ao Beboka –Antsalova ary ao Maroazo – Maintirano ny faharoa. Hasiam-panavaozana ihany koa ny tohodranon’i Betanatanana. Ho sompitra vaovao ara-bary i Melaky aorian’ny fahavitan’ireo, hoy ny lehiben’ny Faritra. Hifanohy amin’ireo ny fanamboarana ny lalana. Nanamafy izany ny Prefen’i Maintirano Rakotomalala Louis Robson amin’ny fanomanana ny vahoaka amin’izany ho fiovana any Melaky izany, ary koa ny fanamafisana ny fandriampahalemana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.