Actualités

Jeneraly Richard Ravalomanana Namporisika ny zandary hazoto hiasa any ambanivohitra


  • Zoma 03 Janoary 2020

Omaly 02 janoary 2020 tamin’ny 08 ora sy sasany maraina tao amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy Betongolo no nanatanterahana ny lanonana ara-miaramila fiarahaban’ny mpiara-miasa an’Andriamatoa Jeneraly

 

 

Richard Ravalomanana Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena sy ny vady aman-janany amin’ny nahatratraran’izy ireo ny taona 2020. Nandritra ny lanonana no niarahabana sy nanolorana ny firariantsoa ary ny solom-bodiakoho ho an’ny Jeneraly Richard Ravalomanana Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena sy ny fianakaviany ka ny Jeneraly Girard Andriamahavalisoa Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha no nisolo tena ireo mpiara-miasa rehetra. "Ho tahiana ianao raha miditra; ary ho tahiana ianao raha mivoaka" andinin-tsoratra masina nosintonina tao amin’ny Deoteronomia 28: 6, no teny nentina nirariantsoa ho an'ny minisitra. Nandritra ny fandraisam-pitenena nataon’ny Minisitra no nisaorany ireo mpiara-miasa amin’ny nahatsiarovana azy sy ny ankohonany amin’izao taom-baovao izao indrindra fa ny fanajàna ara-pomba malagasy sy ny maha Ray amandreny azy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Notohizany tamin’ny fankasitrahana tamin’ny asa vita sy ny ezaka rehetra nataon’ny mpiara-miasa izany, namporisika sy nanentana ny rehetra ihany koa izy mba hanao ny tsaratsara kokoa noho ny vita teo aloha sy ny hanomezan-tanana ireo lehibe isan’ambaratonga. Maro ny ezaka fitsinjovana ny mpiasa mpanatanteraka any an-tsehatra toy ny "primes de bravoure", "avancement exceptionnel", "bonus d'ancienneté en port de grade"…. koa nentanina ny tsirairay hiezaka ihany koa hazoto hirotsaka an-tsehatra any amin'ny faritra mena ambanivohitra izay mampikaikaika ny vahoaka noho ny tsy fandriampahalemana.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT