Tsy mpitandro ny filaminana ny miaramila, hoy ny Jeneraly misotro ronono Razakarimanana Ferdinand tafaresaka tamin’ny mpanao gazety omaly, fa ny polisy sy zandary no misahana izay asa izany.
Ny tena tompon’andraikitra voalohany indrindra amin’izany filaminana izany amiko dia ny ben’ny tanàna ka homeo fitaovana izy ireo sy homeo olona ahafahana manao ny asany sy mametraka izany filaminana izany mba hahatompon’andraikitra masi-mandidy azy fa izy ireo no efa heverina fa tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana, amin’ny fandriampahalemana, tompon’andraikitry ny fampianarana, ny fahasalamana. Vatsio basy ny polisy monisipaly sy polisy kaominaly fa hilamina io raharaha io. Ka izaho eto dia tsy hiteny hoe mahomby sa tsia ny miaramila eto amintsika nefa lazaiko kosa fa nampilamina ity firenena ity tamin’ny Repoblika voalohany ny fanaovan’ny miaramila “Marche manoeuvre” ka izany no namerenako azy tamin’ny taona 2012 rehefa nitantana ny Faritanin’Antananarivo ny tenako rehefa najanona tamin’ny taona 1975. Izany fomba izany dia heveriko fa tsara fa manome toky ny vahoaka ahafahan’izy ireo manao ny asany andavanandro dia ny mamokatra ary ny mamokatra ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.