Mila manova fihetsika ny zandary ho fitandroana ny fandriampahalemana sy ho fiarovana ny zon’olombelona
. Io no nambaran’ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Paza Didier raha nanokatra ny fandraisam-pitenenana nandritra ny fanamarihana ny androm-pirenena ho an’ny zandary ny tenany omaly teny amin’ny tranombokim-pirenena Anosy. Izay ihany mantsy, raha araka ny nambarany, no antoka hahafahana manatanteraka ny asa ankoatra ny fanampian’ny vahoaka. Misy foana ny olana toy ny famelivelesan’ny olona, ny fanenjehana fa ny tena zandary dia mijoro manaja ny lehibeny sy ny maha zandary azy ary ny fianianana nataony. Saika tonga nanatrika sy nanome voninahitra ity lanonana ity avokoa omaly ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo. Nambaran’ity farany fa tsy tokony hanaiky hozarazarain’ny antoko na fihevitra politika ny zandary fa hijoro amin’ny maha izy azy. Ezaka goavana ankehitriny no efa atao toy ny fametrahana ny Unité special ao Mahabo Betroka ivontoerana iray hahafahana miady amin’ny asan-dahalo, hiasana zandary 500 isa eo ho eo isan’andro. Nisy omaly ny fampisehoana ny asa sahanin’izy ireo notanterahin’ny G6 sy ireo ekipa mitondra alika manenjika ireo mpangalatra sy ny toerana misy ny rongony. Rahampitso alahady vao hifarana tanteraka ny hetsika, arahina varavarana misokatra eny amin’ny CIRGN sy FIGN.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.