Actualités

Jeneraly Noël Rakotonandrasana Maty an-drano tany Maevatanàna


  • Alakamisy 07 Febroary 2019

Nodimandry tampoka omaly maraina tany Bemangoraka Mahazoma distrikan’i Maevatanana ny Jeneraly Rakotonandrasana Noël. Tanindrazany any an-toerana, ka avy nijery ny ombiny izy no handeha hiampita rano, raha ny fampitam-baovao vonjimaika.

 

 

 


Tavela tao anaty rano anefa ny zana-drahalahiny. Nanavotra an'io izy kanefa voalaza fa voan’ny “crampe” tampoka, ka nilentika tao anaty rano, ary izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Avotra soa aman-tsara ilay navotana fa izy kosa nifampitadiavana adiny roa teo, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Any an-toerana ihany no handevenana azy, ka miandry ny fahatongavan'ny fianakaviana ny daty hanatanterahana izany, raha ny vaovao voaray. Anisan’ny nahafantarana azy ny fiarahana tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny raharaha 2009, ary voatendry ho minisitry ny fiarovam-pirenena izy tamin’izay. Herintaona taty aoriana anefa, nohenjehin’ny fanjakana HAT fatratra izy ny taona 2010, rehefa tafiditra tao anatin’ny raharaha Bani Ivato nijoroan’ireo manamboninahitra tsy nankasitraka ny fanjakana HAT.
« Anisan’ny lasibatra tamin’ny fitondran’i Andry Rajoelina ny tenako, ary telo taona latsaka tany am-ponja », hoy izy ny 02 novambra 2018 lasa teo. Somary nangina nandritra ny fotoana naharitra ny tenany, ary namotsipotsitra ireo heveriny fa tsy mety nataon’ny kandida Rajoelina sy ny ekipany tamin’ny fifidianana farany teo. Nisafidy ny niara-dia tamin’ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana izy na nisy aza ny raharaha 2009. “Tsy manana olana amin’i Marc Ravalomanana, Rajaonarimampianina, Rajoelina aho fa ny zavatra azoko lazaina, dia mivantana sy mahitsy aho, ka raha ohatra ka tsy mankany amin’ny lalana tokony haleha, indrindra mandainga sy mamahan-dalitra dia tsy tantiko. Misy manao izany amin’izao ka mila fahatongavan-tsaina fa tsy ho jamban’ny fampisehoana sy ny vola”, hoy izy. Ny eto anivon’ny Gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny Jeneraly Rakotondrasana Noël.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT