Actualités

Jeneraly Njato Andriajanaka Mampitandrina ireo zandary zatra kolikoly


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Ny 1 600 amin’ireo mpiadina 10 646 nandritra ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary andiany voalohany tamin’ny 23 sy 24 novambra lasa teo no horaisina hiatrika ny dingana faharoa.

 

 

Efa napetraka ireo arofanina rehetra mba hampangarahara ny fifaninanana, hoy ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Mpandainga sy mpamitaka kosa ny olona izay milaza fa hahatafiditra mpianatra ho zandary raha mandoa vola, hoy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, Jeneraly Njato Andriajanaka. Mampitandrina ireo izay minia  hangata-bola na iza na iza, indrindra ireo zandary efa zatra nitsivalam-pandry. Nohamafisiny fa ireo izay mahafeno fepetra amin’ireo naoty  no afaka miatrika ny dingana faharoa. Ny alakamisy izao no hanomboka ny fitsarana ireo laza adina ka ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no hisahana izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT