Actualités

Jeneraly Malagasy Misy tsy mahalala ny andraikiny intsony ?


  • Talata 26 Aprily 2016

Mety tsy dia tsikaritry ny olona firy kanefa zava-miseho matetika ity horesahana manaraka ity.

 

 Nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita no tena re laza ny hoe Emmo reg na Etat-Major Mixte Opérationnel de la Région izay vondron-tafika iray itambaran’ny polisy, miaramila ary ny zandary. Ny zandarimariam-pirenena moa no lehibe mitarika ny Emmoreg isam-paritra eto Madagasikara. Efa misy ny fizaran-draharaha sy fizaran’andraikitra mazava ao anatin’ny Emmo reg ka ho an’Antananarivo dia ny kolonely Ravoavy Zafisambatra no lehiben’ny Emmo reg efa hatramin’ny 2009 ka hatramin’izao 2016 izao. Izy izany no tompon’andraikitra voalohany vantany vao misy ilana ny Emmoreg, izy no mibaiko. Ny zava-nisy somary hafahafa, anefa tato anatin’ny 7 taona izao dia ny jeneraly lehiben’ny CIRGN na fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena tahaka ny jeneraly Richard Ravalomanana (tetezamita) sy ny jeneraly Florens Rakotomahamina no hita etsy sy eroa ary toa izy ireo mihitsy no lehiben’ny Emmoreg. Marina fa raha ara-grady sy galona dia lehiben’ny kolonely mitantana ny Emmoreg, izay zandary rahateo ny jeneraly lehiben’ny CIRGN saingy raha ny tena izy dia tsy tokony hirotsaka an-tsehatra mivantana eny amin’ny hoe grevin’ny taksibe na fitakian’ny mpianatra na savorovoro noho ny adin’ny kaominina sy ny mpivarotra amoron-dalana ka hanapoahana lakrimozenina mba hanaparitahana ny olona mitangorongorona izany jeneraly lehiben’ny CIRGN izany fa efa eo ny Emmoreg hanao ny asa fampandriana fahalemana. Hafa indray ny resaka raha toa ka hoe tena mikorontana ny firenena na misy andian-jiolahy na dahalo manao fanafihana mahery vaika, fa dia mitari-tafika hiady kosa eto ny jeneraly. Manampy izay dia tsy ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena no miantso ny Emmoreg rehefa misy hotakotaka na savorovoro fa ny prefektiora izay fahefana misolotena ny fanjakana foibe. Tsy mahalala sy tsy mahay  intsony ny andraikiny ary ve ireto be galona mirotsaka an-tsehatra manenjika mpanao fihetsiketsehana ireto sa mba te halaza sy te ho hita fa tena miasa mafy amin’izay mitombo haingana ny grady ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT