Adinon’ny fitondrana HVM tanteraka i Jean Nirina Rafanomezantsoa, izay migadra any am-ponja amin’izao fotoana izao.
Miha mitombo hatrany ny vesatra hanenjehana azy ka ny fitsarana ny zoma lasa teo izao dia vesatra 7 indray no nahazoany « MD » na famonjana vonjimaika. Tamin’ireo programa sy asa sosialy nataon’ity filohan’ny HAFARI Malagasy ity dia teo foana ny olon’ny fitondrana izay toa nanao tohatra sy nanao fitaovana ity fikambanana ity mihitsy aza. Rahefa nisy ny zava-bita notokanana dia tsy niala lavitra ny HVM fa nijapy masinina ary tamin’ny alalan’ny fitondrana mihitsy aza no nanaovan’ny Hafari Malagasy hetsika isan-karazany, raha ny fahitana azy. Matetika Rafanomezantsoa Jean Nirina no nilaza fa miara-miasa akaiky amin’ny fitondrana ka nilazany fa tsy misy fanjakana kely ao anaty fanjakana lehibe izany fa tsy maintsy mifanohana. Tamin’ny andron’ny praiminisitra Ravelonarivo dia matetika izy no mpiahy ny zavatra ataon’ny fikambanana ka mety ho izay no tsy hirarahan’ny HVM an’i Jean Nirina Rafanomezantsoa noho ity farany izay efa nodakana. Hita ho mbola nitohy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta saingy vita angamba ny nilana ny filohan’ny Hafari Malagasy izay toa nijabaka ihany tamin’ny fanohanan’ny fitondrana azy ka izao no niafarany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.