Actualités

Jean Nirina Rafanomezantsoa Nahazo MD vaovao indray


  • Talata 20 Septambra 2016

Voalaza fa miandry ny fitsarana ny raharaha nitanana azy vonjimaika teny am-ponja nanomboka ny volana aogositra teo ny filohan’ny fiarahamonim-pirenena Hafari, Jean Nirina Rafanomezantsoa, anio talata 20 septambra ity.

Niakatra fampanoavana tamin’ny raharaha nitorian-dRtoa Joella avy any Sofia amin’ny resaka « sequestration » nahazo azy indray anefa omaly alatsinainy 19 septambra ity filohan’ny Hafari ity. Nisadify ny tsy hampita hafatra tamin’ny mpanao gazety intsony aloha ny lehilahy sy ny mpisolovava azy  omaly. Fantatra taorian’io fiakarana fampanoavana io anefa fa nahazo fampidirana am-ponja vonjimaika fanindroany indray izy tamin’ity raharaha hafa nitoriana azy ity. Raha tsorina, na inona na inona ho vokatry ny fitsarana ho azony anio dia mbola hiverina any am-ponja hiandry ny fitsarana ity fiampangana nataon-dRtoa Joella azy ity indray Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT