Actualités

Jean Nirina HAFARI Nafahan’ny fitsarana madiodio


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Nivoaka omaly ny didy momba ilay raharaha kianjan’Anosizato izay nitoriana karana mpanam-bola iray ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

 

 

Nafahan’ny fitsarana madiodio  noho ny fisalasalana ity farany, rehefa notazonina vonjimaika teny am-ponja nandritra ny telo volana latsaka. Tsy nihatra ihany koa ilay onitra 60 tapitrisa Ar nangatahan’ilay karana.  Nisaotra an’Andriamanitra feno ny filohan’ny HAFARI Malagasy noho izany. Nankasitraka tanteraka ny fitsarana ihany koa ny tenany noho ity ivontoerana iray ity  izay tena  andry hiankinan’ny malemy sy ny osa tokoa.  Tsiahivina hatrany moa fa tamin’ny 26 aprily lasa teo no niakatra fitsarana  ity filohan’ny HAFARI Malagasy ity sy ilay karana nitory azy.  Taorian’izay no nahafantarana fa ho mpikarakara ilay tanàna entina hanomezana trano sy  tany ireo tsy manana sisa no andraikitra hosahaniny ao anatin’ny fikambanana ankoatra ny fiahiana sy fitsinjovana manokana ireo zokiolona. Omeny horaisin’olon-kafa kosa ny resaka  fiahiana ny zon’olombelona ao anatin’ny fikambanana.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT