Nafindra any Antsiranana ny zoma teo i Jean-Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) efatra nosamborina taorian’ny fitoriana nataon’ny ACM tamin’ny nahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny alahady 12 oktobra lasa teo
Tsy misy vaovao ofisialy mivoaka momba azy ireo, fa dia resaka eny amin’ny tambajotran-tserasera toy ny facebook ataon’ny fianakavian’ny voampanga no mitatitra fa io zoma io izy ireo no nampandrenesin’ny avy ao amin’ny masoivoho alemana fa hatolotra ny fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antsiranana ny tolakandron’io zoma 31 oktobra io i Jean Marc Koumba. Nikoropaka nitady hevitra handehanana any Antsiranana Rtoa Lila Koumba vadiny sy ny mpisolovava azy, Rafidison Eric. Nanofa fiaramanidin’ny GS Aviation. Nampahafantatra ny anaran’ireo mpandeha tany amin’ny ACM izy ireo ny tolakandron’io zoma io tamin’ny 2 ora, sady nangataka taratasy fahazoan-dalana hahazoan’ny fiaramanidina hisidina. Niandry hatramin’ny 5 ora sy sasany hariva teny Ivato anefa ry Rtoa Lila Koumba saingy tsy nahazo io fahazoan-dalana hisidina io. Ho an’ny fianakaviana dia notsaraina tsy natrehin’ny mpisolovavany akory ary nadoboka am-ponja i Jean Marc Koumba, izay tsy manana eritreritra ny hitsoaka velively. Ireo mpiasan’ny ACM efatra etsy an-kilany dia tsy manana mpiaro na mpisolovava. Mirehareha ho fitondrana tan-dalàna anefa ity fitondrana ity. “Aiza ny fanajana ny zon’ny voampanga ?” , hoy ny fianakavian’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.