Actualités

Jean-Marc Koumba sy mpiasan’ny ACM efatra Hanao krisimasy sy fetin’ny faran’ny taona any am-ponja ?


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Voatazona am-ponja vonjimaika any Antsiranana efa ho iray voalana izao i Jean-Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM Antsirabe efa-dahy, dia Rafanomezantsoa Mahery, Rakotoniaina Solofo Désiré, Randriamihaja Mamy ary Rakotoarisoa Vonjy

Ahiana hanao krismasy sy fetin’ny faran’ny taona any am-ponja izy ireo, raha tsy misy fivoarana ny raharaha hatramin’ny 15 desambra 2014 handehanan’ny fitsarana mialasasatra (vancances judiciaires)  ary dia mihantona mandritra ny iray volana eo ny raharaham-pitsarana rehetra ; amin’ny tapaky ny janoary 2015 any indray vao miverina. Ny 24 oktobra 2014 izy dimy lahy ireo no nosamborina tao Antsirabe, fa hoe nitsikombakomba ka nanamora ny fidiran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fiaramanidina tao Antsirabe ny 12 oktobra 2014. Natao fanadihadiana teto Antananarivo izy ireo, avy eo nalefa any Antsiranana ary notanana am-ponja vonjimaika any nanomboka ny 31 oktobra 2014. Nangataka fahafahana vonjimaika ny mpisolovavan’i Jean-Marc Koumba fa nolavin’ny fitsarana.

Hijoro hatramin’ny farany

Tonga nitsidika an’i Jean-Marc Koumba tany Antsiranana ny ambasadaoro alemana Harald Gehrig sy Rtoa Lila Koumba vadiny, ny faran’ny herinandro teo. Re taorian’izay fa very 15 kg ny lanjan’ity mpiambina akaiky taloha ny filoha Marc Ravalomanana ity, taorian’ny fitanana am-ponja azy any Antsiranana. Nify iray koa ny azy no voatery nesorina. Tratry ny aretin-koditra koa izy noho ny loto ao amin’ny fonjan’Antsiranana  itazomana azy sy ireo mpiasan’ny ACM Antsirabe efa-dahy. Manoloana izao toe-javatra izao, dia niala tamin’ny fahanginany ireo vavolombelona rehetra nilaza ho nahita an’i Jean Marc Koumba tao amin’ny hotely Antsaha tamin’ny andro voalaza fa nahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teto an-tanindrazana. Niakatra teto an-drenivohitra izy ireo, omaly, nampahalala ny zava-misy tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny CLT Tsiadana. Hentitra ny tenin’i Nivo Randriambololona, rahavavin’ny vadin’i Jean Marc Koumba fa hijoro hatramin’ny farany izy ireo hilaza ny marina rehetra. Atao tsinontsinona izahay vavolombelona hoy izy kanefa dradradradraina fa mitady ny marina ny fanjakana. Aiza ny tany tan-dalàna amin’izany ? Nilaza ireto vavolombelona ireto fa tsy mba voaantso mihintsy tamin’ny fotoana nanaovana ny famotorana azy dimy lahy ireo. Mitaraina ny vady aman-janak’ireo mpiasan’ny ACM satria na ny vola entina mba hitsidika azy ireo any Antsiranana aza tsy misy. Koa mitaky ny hamoahana ny marina sy ny hamotsorana azy dimy lahy izay voarohirohy amin’ity raharaha ity ireto fianakaviana sy vavolombelona ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT