Voaresaka nandritra ny fifanatrehan’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra sy ny parlemanta teny Tsimbazaza ny talata teo ny raharaha Jean-Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) ao Antsirabe miisa efa-dahy, voatana am-ponja vonjimaika any Antsiranana efa ho iray volana izao.
«Mangakata izahay, avoahy i Jean-Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM miisa efatra, fa tsy misy idiran’ireo amin’ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara», hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo faha-5 sady Kestora fahatelon’ny Antenimieram-pirenena Guy Rivoniaina Randrianarisoa. Nanamafy izany fangatahana izany ny solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert na Rossy, amin’ny maha mpanao haiady azy, «mba hamotsorana an’i Jean-Marc Koumba». Tsy nasian’ny praiminisitra Kolo Roger resaka na in-draim-bava aza anefa ny amin’ireo fangatahan’ny solombavambahoaka ireo fa nibahana tamin’ny vokatra azony tamin’ny dahalo tonga saina sy ireo tetikasany eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana ny fandraisam-pitenenany. Efa nisasaka koa moa ny alina tamin’io talata 18 novambra 2014 io ka dia zarany aza ireo depiote nanapa-kevitra fa hatao an-tsoratra ny valin-teny sisa tsy voalaza, ka andrasana afaka tapa-bolana izany. Ny mpisolovava Noro Rabemananjara no nilaza fa tena anaty fasahirana ireo mpiasan’ny ACM efa-dahy ankehitriny. «Tsy misy mpikarakara, lavitry ny havany izy ireo», hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.