Actualités

Jean Louis Rakotoamboa « Tsy ampy ny tambazotram-pahasalamana eto ! »


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Nanazava ny fahitany ny fiatrehantsika ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus eto amin’izao tontolo izao omaly ny mpikaroka momban’ny fanafody eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso, ny Dr Jean Louis Rakotoamboa.

 

 

 

Aretina mbola tampoka be sy miparitaka haingana be io, hoy izy, ary na ny firenen-dehibe aza amin’izao fotoana izao dia sahirana amin’io aretina io. Mila mailo isika malagasy. Marina fa nandray fepetra ny fitondrana anefa ny fiheverako azy dia fepetra sady efa tara no sady raha sanatria tonga eto amintsika io aretina io dia ho sarotra vao ho afaka aminy isika satria ny fotodrafitrasa momban’ny fahasalamana rehetra eto Madagasikara, ny toerana rehetra iadiana amin’io dia tsy feno ny fepetra. Alaivo sary an-tsaina fotsiny, ohatra, ny toerana hanaovana ny fanihibohana na « mise en quarantaine » dia tsy misy afa-tsy Anosiala no tena mety. Ny fitiliana koa tsy misy afa-tsy ny Institut Pasteur.Hifoifoy volo isika raha tafiditra eo io, hoy izy, satria alaivo sary an-tsaina fotsiny hoe any Ankavandra any no sanatria mipoitra ilay aretina. Tsy misy fotodrafitrasa azo hiadiana amin’izany any. Ho taomina amin’ny inona hiakatra aty Antananarivo ny olona marary rehetra any? Tokony efa ela no nidiana tamin’ireo firenena misy ilay aretina ny nosintsika, hoy hatrany ity “Pharmacologue” ity. Mety ny eto Antananarivo sy ny manodidina no azo araha-maso satria misy ny serasera rehetra fa any an-kodahoda any sarotra ary raha tsy mahazo fanampiana tena goavana isika tsy ho afa-bela mihitsy. Io izao mipoitra koa ny pesta any amin’ny faritra sasany dia mbola ady hafa koa. Ny tambazotram-pahasalamana eto mihitsy no mila hatanjahana sy ampiana fa tsy ampy, hoy hatrany ny tenany. Mila “équipe mobile” io fa raha mijery ny CSB I sy II any ambanivohitra fotsiny miampy ny fandraisana marary sy ny dokotera mbola tsy voahofana amin’izany akory dia tsy hahasitrana an’io mihitsy, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT