Actualités

JCI Vohitr’Iarivo I Abraham Rajafetra Manjaka no filoha vaovao


  • Talata 03 Febroary 2015

Ny fanatanterahana ny fivoriambe tao amin’ny “Chambre de Commerce et de l’Industrie” Antaninarenina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no hetsika voalohany nanombohan’ny “Jeune Chambre Internationale » JCI Vohitr’Iarivo ny taom-piasana 2015.

  Ankoatra ny tatitra nataon’ireo ekipa mpitondra teo aloha ka nahazoan-dry zareo ny fankatoavana tamin’ireo mpikambana dia niavaka indrindra tamin’ity fivoriana ity ny nanaovana fifidianana fanoloana filoha sy famindrana ny vakana maha mpitondra teo amin’ny filoha teo aloha Vonin’Oliva Rakotoarisoa sy ny filoha vaovao lanin’ny rehetra tamin’ny latsa-bato, dia i Manjaka Rajafetra Abraham. Niara-nanao fianianana taminy taorian’izay ireo mpikambana vaovao ao amin’ny komity mpitantana hiaraka aminy mandritra ny herintaona. Teny filamatra navoitran’ny filoha vaovao ny hoe : « Unite in Action, Unite for Change » na firaisankina amin’ny asa, firaisankina amin’ny fanovana. Ny vinavinan’asa hatao amin’ity 2015 ity dia miompana amin’ny lafin-javatra 4 dia ny fiarahamonina (ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo), ny isam-batan’olona (fanabeazana ara-pitondran-tena sy fisorohana ny loza amin’ny fifamoivoizana “Safe Urban Road”), ny fandraharahana (fampiroboroboana ny “entreprenariat” amin’ny Cyea andiany faha-2) ary ny iraisam-pirenena. Mbola anisan’ny navoitran’ity filoha vaovaon’ny Jci Vohitr’Iarivo ity koa ny amin’ny fanamarihana amin’ity taona ity ny faha-100 taonan’ny JCI izay noforonina tamin’ny 1915. Marihina fa tanora hatrany amin’ny 200 000 isa avy amin’ny firenena 100 samihafa izao no mandrafitra ny JCI.

Ntsoavina Evariste

SARY : Ny filoha vaovaon’ny JCI Vohitr’Iarivo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT