Tokony hahalala menatra ny mpitondra ankehitriny, hoy i James Ratsima mpitarika ny fikambanana Asandratro ny fireneko omaly manoloana ny hetsi-bahoaka hitranga anio etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey, satria na ilay jeneraly iray niteny tamin'ny haino aman-jery ny alarobia alina teo aza dia efa niaiky fa tsy rariny intsony izao zava-misy eto amin'ny firenena izao.
Tsy latsa-danja amin'izany ireo filoham-piangonana sy fikambanana maro samihafa. Noho izany, tokony hahatsiaro tena ny fitondram-panjakana. Ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny fahatongavan'i Joachim Chissano eto amintsika. Efa fantatra fa iraky ny sehatra iraisam-pirenena no nahatongavan'io tompon'andraikitra io eto amintsika mba hanandevo ny Malagasy. Voaporofo hatrany fa tsy mahaleotena isika ary fitondrana tetezamita fa tsy ara-dalàna no misy eto ny zavatra nolazaiko, hoy ny profesora James Ratsima. Noraisiny ohatra tamin'izany ny fanitsahana ny lalàmpanorenana nataon'ny mpitondra amin'izao, ny famarotana ny harem-pirenena amin'ny ambongadiny. Notsindriany fa tsy hisy ho afa-bela eto ny mpangalatra sy ny mpandroba satria ny efa tafiditra ao anatin'ny fotoam-panafahana an'i Madagasikara izao, fanambarana izay efa nolazainy hatramin'ny ela. Notsindriany manokana moa fa ny Frantsay avokoa no tompon'andraikitra 100 % amin'izao zava-misy eto amin'ny firenena izao. Noho izany, tokony ho mailo ny tsirairay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.