Betsaka ireo olona jamba lasa mpihira eny amoron-dalana amin’izao fotoana izao eto an-drenivohitra.
Tato anatin’ny efa-bolana teo ho eo izay no tena nahitana azy ireny amin’ny toerana hifamezivezen’ny olona toy ny etsy amin’ny tsenabe Isotry, Analakely… Telo izy ireo no miaraka raha kely indrindra, mety ho mpihavana nefa mety mpinamana tsotra, misy ihany koa ny mpivady. Manao ireo karazan-kira maro samihafa fiderana an’Andriamanitra izy iro dia mangataka izay foin’ny mpandalo. Raha araka ny fanazavan’ny lehilahy jamba iray sendra ny gazety Tia tanindrazana dia aleon’izy ireo manao ezaka kely mihira tahaka izao dia mba mitondra mody isan’andro toy izay ho lasa vesatry ny fiaraha-monina. Misy amin’izy ireo rahateo no efa manambady aman-janaka avokoa izay mitaky adidy sy andraikitra goavana, eny fa na dia ny sakafo isan’andro fotsiny aza. Na izany aza dia nanambara izy ireo fa misahirana ihany koa vao mahazo vola. Tsy maintsy misy mantsy ny famerenan-kira hataon’izy ireo isan’andro. 30 minitra eo izany raha kely miampy fikarohana hira vaovao mandona ny fon’ny olona saingy tsy maintsy hira masina kosa. Ankoatra izay dia mandoa saran-dalana ihany koa izy ireo ho an’ireo fiara taksibe izay tsy manaiky ny hitondra azy maimaimpoana izay vao tonga eny amin’ny toerana hiasany. Na izany aza dia mba mahazo 10.000 Ar isan’andro ny fikambanana mpihira iray ao anatin’ny iray andro, mahatratra 20.000 Ar rehefa tena mandeha ny tsena. Marihina moa fa mahavita hira 40 isa izy ireny ao anatin’ny andro iray vao mijanona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.