Tsy miasa akory ny governemanta Solonandrasana Mahafaly dia efa domelin’ny fanakianana.
Vao miha nahasosotra ny olona ny fahitana fa ny teo ihany no miverina. Minisitra efa hita fa tsy nahavita azy izao sy niteraka korontana teo anivon’ny departemanta notantanany dia tsy voahozongozona ihany, tahaka ny minisitry ny asa sy ny asam-panjakana, ohatra. Ny minisitry ny rano teo aloha, izay olon’ny AVI kanefa efa lasa HVM tanteraka ankehitriny dia tsy hita izay tena asa mivaingana vitany afa-tsy ny nanao vava be tamin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra kanefa dia nomena departemanta tena saropady dia ny minisiteran’ny tontolo iainana. Ny minisitry ny serasera moa tsy voakitikitika mihitsy, mety noho izy miaro mafy sy misolelaka amin’ny filoham-pirenena angamba. Ny praiminisitra moa dia efa fantatry ny rehetra ny momba azy satria nandeha tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra ny fanaovany tsindry bokotra mba hampandaniana ny kandidan’ny antokom-pitondrana tamin’ny fifidianana loholona farany teo. Fa tena tsy misy afa-tsy ireo olona ireo ve izany no mahay mitantana an’i Madagasikara e ? Efa tena latsaka an-katerena ny firenena kanefa toa tsy ahoan’ny mpitondra izany fa mbola manao andrankandrana mifandimby seza eo ry zareo. Ekipa efa tsy nahavita no mbola notazonina, ka inona moa fa tsy jamba mifapitantana izany no mitondra ny firenena eto e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.